Fitiavana niara-naniry
Fitiavana tokana tsy firy
Ho anao (bis) ka matokia
Ny miova dia atao sanatria (bis)
Na ho mora , na ho sarotra
Tsy mba misy mampihaotra
Fitia vita voady ny antsika ralala
Ka tsy ho ravan’ireo mpakahala
Raha sendra ka misentosento sombinaina
Ka lasalasa miampita izany saina (bis)
Ny voady izay natao no tsiahivo
Fa fitia tsy nivena re
Tano mafy sy fihino