Jeso malala ô zoky be fitia
Ianao anio no isaorana
Nitantana sy niaro anay
Tamin-dalan-tsarotra nodiavinay
Misaotra Anao
Ry Jeso zoky tia
Zay tsy mandao
Fa nomba anay tety
Jeso malala ô sitrakay tokoa
Ny fanampiana izay natolotrao
Sy ’ reo soa maro zay nasehonao
Ka maneho ny fitiavanao anay