Toa mahavariana sy mahasondriana tokoa izao fiainana izao
sady lala-malalaka be migodana tsy misy misakana anao nefa kosa
Tsinjovy ihany izay iafarana fa aza variana ety
ka banjino, todiho ilay toerana tsara izay ao amin’i Jesosy
réf: ny Tompo anie raha tety
nampianatra hifankatia o
tsy mba sasa nananatra antsika
mba ho tena filamatra
mba ho tsapan’ireo izay mandre sy ireo jamba tsy afa-mandeha
Moa tsy tsapanao va fa mandrendrika anao raha izao fiainana izao
Tsy mba mety ho tony tsy fantatra intsony fa mafy ny fiainana mila hankalao
Miherika etsy miherika eroa tsy mahita ny lalan-kaleha
Manatona an’i Jesoa mpamonjy anananao fiainana be dia be
réf