1- Misy miantso, tsy henonao ve
Misy mandona, tsy vohainao
Misy maniry hitoetra ao am-ponao
Hitondra soa hoan’ny fiainanao
Ref: Jesosy izay e, miantso anao e
Valio Jesoa miantso e
Vohay ny fonao, fa mandondona i Jesosy e!
Misy miantso, tsy henonao ve
Jesosy izay ilay mpizara fiadanam-be!
2- Misy mihaino ny sentonao e
Manara-maso ny fiainanao
Misy mitsetra ka te-hanampy anao
Hitondra soa ho an’ny fiainanao
Ref:.....
Misy mihaino ny sentonao e
Jesosy izay ilay mpizara fiadanam-be
A/C: Josea Rabearivelo