Raha ny vady no mivadika
mamitaka ny tena
toa mahavaka sy maneso
ny tontolo izay jerena
mamela ratra maharary
ny fitia voahosihosy
ny manadino manadino
no ataovy lakolosy
Raha tonga ny fotoana
dia ilay andro manahirana
raha tapaka ny tady
nifatorana t@ tiana
ilay fitiavana taloha
indrisy tonga nampimalo
fa ilay olon-tiana indrindra
no nanjary fahavalo