Resaka ve no tantaraina
olon-dehibe samy manan-tsaina
nefa ny zavatra fantatray
'Ty fitiavan’ity mampiferotr’aina e
Tratran’ny bika sy ny hatsarana
lasa nirifatra ka tsy tana
hanova fitiavana va ry ngahy
ka ny vady aman-janaka no hialana e
Mandram-pihaona tongava soa
raha hanaraka an’iny any lavitra any
ianao no namadika fanekena
f'izaho sy ny ankizy dia eto ihany ô
Aza maharitra ela loatra
fa rehefa miverina tiako ihany ô
Ref:Mbola ho avy izy e,
K’aza malahelo
Aza miova fitàna e,
Na mandalo tanana e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo