1- Midobodoboka tsy mijanona ny foko, mierika ny masoko mitady tsy mahita;
Ny eritreritro tsy mety fa manjohy anao hatrany; manontany, mitomany.
Mitamberina ao an-tsaiko ireo vetsom-po tanaty nobitsihinao mangina am-potitsofiko eo mazàna;
Rehefa injay isika resin-torimaso iny fa any ianao izay ry tiako...
Eto aho no mitanisa ireo zavatra efa vita dia malahelo.
Tsy hisy hanazava hoe avy aiza ny hery miafina nanosika an- tsika ho tody teo.
Tody teo aloha isika, teo amin’ny toerana avo indrindra e!
Tsy hain’iza ho hazavaina, tsy vitan’iza ho ravana.
2- Tsy tiako hovaina intsony ny lasa zarako aza ianao nifanojo lalana amiko;
Saingy tsy ho zakako intsony ny hanarona ny marina amin’ny toe-drahaharaha misy.
Marina fa be ny olana raha ho visaina, ireo tsy tia sy fahavalo koa hanenjika avy hatrany;
Kanefa izany ve hamoizako anao? Vao maika mitombo ny fitiavako miha romotra.
Enga anie ianao hiandry ahy fa izaho hiandry anao foana e!
Ny lalana nodiaviko mety tsy hitanao, tsy misy toa anao izay tojo ahy,
Ianao irery ihany no toa anao,ianao no ahy e!
Tsy mila olon-kafa aho, tsy hitady an’iza n’iza; Fa ianao irery ihany.
Tsy haiko intsony ny manafina efa fantatrao izany, k’aza dia omena tsiny aho e!
Ny fiantsapazako avy hatrany, ny ranomasoko nijohy teo ampandehananao.
Mbola hitohy tsy an-kijanona hikoriana hatrany, hatrany, ao anatiko ao e!
Rahoviana ianao ry tiako vao ho tonga indray? Hampionona ahy, rahoviana?