Tena faly izahay
Midera ny Andriamanitray
Fa nakambanao zahay
Mba ho tena fo iray
Na ny tena na ny saina
Ary ny fanahinay
Na ny molotra maloto aza
Hanandratanay
‘Lay anaranao soa
Tsy voakosok’ao am-po
Ka nifidy sy nifantina anay
Mba ho vato voazaha toetra
No mijoro
Vato tsara sady fehizoro
Dera heleloia no ventesinay
Fa Jesosy no Mpamonjinay
Vato fehizoro fanorenana
Azo itokiana sy ianteherana