4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Amorony fo madio - Mpitory

Amorony fo madio aho Andriamanitra ô!

Fo iray hiorim-paka mafy ao aminao

Handosiran’i Satana, fa hivoha hidanadana

Ho henika sy feno ny hasoavanao



Mba tolory saina tsara aho Tompo Masina ô!

Mba hisainako ny lala-mankany aminao

Saina afaka hahalala, fa tsy ny lala-migodàna

No hanatrarana ilay Paradisa soa



Akekezo ê!, ity ny tanako fihino

Fa manonja anie ity rano be

Aza avela handeha irery

Tantàno an-dàlana aho sao very

Jesôsy ô!, Ianao no tokiko



Ilay fanahy mahaolona nomenao ahy koa

Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao

Dia manjary mampanahy, raha tratry ny fakam-panahy

Ka farany ho may sy ho ratsy fiafaràna



Ny tongotro ny tànako, ny loha ny masoko

Ny eritreritro, ny sofiko ny vavako

’Zany hoe raha atontaly, tsy zava-bitsivitsy ihany

F’izaho mihitsy no apetrako aminao



Akekezo ê!, ity ny tanako fihino

Fa manonja anie ity rano be

Aza avela handeha irery

Tantàno an-dàlana aho sao very

Jesôsy ô!, Ianao no tokiko

Partager amorony fo madio

Commenter amorony fo madio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mpitory