4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatramin`izay - N`FANAH

Hatramin`izay any aho

Raha vao miteny dia lazainao fa fankahalana

Vao mba mirevy kely dia lazainao fa hadalana

Tsory izay tianao hatao, mandehana rehefa lao



Hatramin`izay any aho

Nanambitamby fa ianao tsy mety ho tamana

Nangatsiaka ilay fity tsy nety nisy hafanana

Niova ianao ankehitriny, ndao fa tsisy tsiny



Ankehitriny aho vao tena nahalala

F`enao mihintsy no efa te hiala

nahazo teny mamy avy any an-kafa ianao

Ny ahy ndray tsy mbola nisy hatramin`izao



Mandehana fa ny antsika efa tsy anjara

Aleo hifarana hatreo iny fa tsy tsara

Mankaleo ny fikafika sy kitakitan-dry

Tany an-kafa indray ianao no nankafy



Hatramin`izay zao sy ianao

Niara-dia nifankatia toa tsy hisy fiafarana

Iza no efa tsy nahalala raha mbola teto amin`ny tanana

Mandehana rehefa leo `lay ray no andeh jereo



Tsy tantinao angamba ny fahantrana

Ka dia lasa ianao fa tsy nety ho tamana

Atramizao aho anefa toa tsy mety mino

Fa izaho sy ianao hifanadino

Mandehana fa ny antsika efa tsy anjara

Aleo hifarana hatreo iny fa tsy tsara

Tohizo ny fivavahandry fa aza variana

Tandremo amin`izay ny hoavin-dry rehefa any ahoriana



                                                        kanjah07@yahoo.fr

Partager hatramin`izay

Commenter hatramin`izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe N`FANAH