4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fandalovana - NJATO

Tany ‘ty fandalovana

Mihodina foana ry zalahy e !

Mety ny androany

Fa tsy hay ny ampitso ry ngahy e !

Fanambaniana olo, aza hatao ô !

Fa misy valiny io

Na ho ela na ho haingana



Mihevera tena

Fa natera-behivavy ianao

Ny vava havoaka mba fero ihany

Fa asa lahy e !

Mihebohebo ny ambony kanefa ;

Fo biby ny fony

Ka tsy mahalala ireo ;

Hakanton’ny sasany intsony

Nefa ianao io karaha

Mangigny lava

Mijoroa f’aza manaiky resy ô ! namakô !

Tsindry hazo lena lava ‘ty

Tsy hatao amintsika oa zaho ô !

Zagnahary antampon’ny loha io

Mandigniky



Mihevera tena

Fa natera-behivavy ianao

Fitiavan-tena be loatra

Manimba ny hafa

Hialao sao ho nenina e !

Raha hataonao androany

Mety hanjary, fa ny ampitso

Tsy ho hainao

Ka mandigniha hely e !

Amin’ny raha atao





Tsy endriky haignao ny amaray e !

Tsy endriky haignao

Tsy endriky haignao ny amaray e ! e ! e ! (3x)

Partager fandalovana

Commenter fandalovana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NJATO