Hira iray 
Rehefa midorehatra menamena be
Iny fara-vodilanitra iny 
Matsiaro anao matsiaro anao
Isaky ny malomaloka ny andro
Mitampifipify ilay masoandro
Matsiaro anao matsiaro anao aho
Hirahira iray hira antsika izay  
Poto taratasy kely izay 
Hitantaranao ny fiainanao
Hira iray vola tsy ampy lava
Hira iray sakafo diso vava
Hira iray noana tsisy farany
Ainga tsisy lalany
Tsy tantaran’olona mihaja ambony iray
Na zanaky ny ambanimbany kely hoa
Matsiaro anao matsiaro anao
Hira iray vola tsy ampy lava
Hira iray sakafo diso vava
Hira iray ketroky ny jaly
Sempotry ny omaly
NONO