4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alina mangina - NY MPIANTAFIKA Gospel

Alina mangina, ny voary toa sondriana

Ao anatin’ny hazavana nentin’Anjely

Alina fifaliana ka velomy ny fihobiana

Fa teraka ho antsika Jeso zazakely

Io no ilay Mpamonjy

Mpanjaka hitondra vonjy

Hanambara hitory vaovao mahafaly

Miramiran’endrika ity mpanota rendrika (2 X)

Fa nahazo anjara ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (2 X)



Oh alina! (Bass)



Alina masina, alina sarobidy

Ho tsaroana mandrakizay, ho tsaroana sy ho tadidy

Nahaterahanao Mpamonjy, teraka tao an-tranon’omby

Alina mangina fa mitondra fifaliana.

Partager alina mangina

Commenter alina mangina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY MPIANTAFIKA Gospel