4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha sitrakao - NY RIAMPEO FJKM AMBATOBE

RAHA SITRAKAO



Mba miangavy fitoniana

Efa trotraka anie aho

Amin’ny alim-pahoriana

Ray o! raha sitrakao



Nofo ihany ka malemy

Melok’eo imasonao

Nefa aza dia avela ho irery

Ray o! raha sitrakao



Mbola lavitra no haleha

Ka miangavy mitalaho

Tantano sy arovy re

Ray o! raha sitrakao!



Maro koa ny fahavalo

Misakana ahy mba tsy ho anao

Nefa aoka izy tsy hampimalo

Ray o! raha sitrakao!



Mbola lavitra no haleha

Ka miangavy mitalaho

Tantano sy arovy re!

Ray o! raha sitrakao!



Maro koa ny fahavalo

Misakana ahy

Mba tsy ho Anao

Nefa aoka izy tsy hampimalo

Ray o! raha sitrakao



NY RIAMPEO




Partager raha sitrakao

Commenter raha sitrakao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY RIAMPEO FJKM AMBATOBE