4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay tiako izay (g.r.jo - Rakotomalalason Jean Olivier)

Tovovavy iray mahafinaritra tokoa

ilay tiako izay ka babony ny foko

tsy ny foko ihany, fa ny fanahiko koa

dia babony daholo lasany avokoa

mahafatifaty ary koa sariaka

tsara fanahy no sady tsara bika



kanto maha-te-ho tia

meva tokoa izato ianao



Kisendrasendra angamba no nifankahitana

kanefa tamin’iny tsaroako toa nafana

ny tafa nifamaliana teo anilanao ry tiana

ka vetivety foana dia tonga ny fotoana

hifanaovana veloma, veloma mandram-pihaona

aza malahelo rahampitso mbola hihaona



toa nanonofy aho raha nilaozanao

tsy andriko ny ampitso hihaonan-tsika indray



tovovavy iray mahafinaritra tokoa

ilay tiako izay ka babony ny foko

tsy ny foko ihany fany fanahiko koa

dia babony daholo lasany avokoa

ny amiko rehetra hatramin’ilay fitia

nomeko tsisy fetra ho anao doria



ho anao homeko anao

ho anao ho doria



R.JO

Partager ilay tiako izay (g.r.jo

Commenter ilay tiako izay (g.r.jo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rakotomalalason Jean Olivier)