4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satriko ho lazaina anao (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)

Be ny zavatra ato an-tsaiko

Raha efa izaho hahita anao

Ôôô

Satry foana re ry aiko

Hotantaraina irery aminao



Ny sariko fahiny,

Sendra hitako ankehitriny

Satriko ho lazaina anao



Angano iray mba sendra reko,

Hira kely notendreko

Satriko ho lazaina anao



'Zany 'lay fangitakitako

Fony vao ianao no hitako

Satriko izao sy izao

Hotantaraina aminao



Ny fangatahako miavaka

Ho anao rehefa mivavaka

Satriko ho lazaina anao



Ny fideran'ireo sakaiza

Ny endrikao hatraiza hatraiza

Satriko ho lazaina anao



Musique



Kanjo anefa rahavako

Tsy haiko fa voafatotra ny vavako

Ôôô

Nahoana re no tsy voalazako

Feno angamba, feno angamba

Ny fitiavako

Ka tsiky kely

Izay, izay ihany

Sisa hilazako izany .



Tonony : Rado ( Georges Andriamanantena )

Feony : Ramboatiana Etienne

Mpihira : Bouboul & Voahirana


Partager satriko ho lazaina anao (bouboul

Commenter satriko ho lazaina anao (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)