Na ho mafy izay manjo
Ka mila hampamoy fo
Dia tsy haharava ny fitia
Izay vita dina ho doria 
Na ho fijaliana ny fiainako
Ho eo anilanao ry tiako
Dia izao no aoka tadidio
Fa tsy hiova ny fitiavako
       Ref:Na faly ianao na mitomany 
           Na eto koa na lavitra any 
           Fa na ory na mijaly
           Dia tiako foana hatrany hatrany
           Ka n’iza n’iza hanenjika 
           Isika maika tretrika
           Ka na ny orana hifafy
           Vonona aho ny hiafy