4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy gisitra - RONDROBAIBOLY

1°)

Aleoko gisitra amin’izao fiainana izao

nefa voalohany any an-danitra

Toy izay hahazo izao tontolo izao

Nefa tsy hahita an’Andriamanitra

Aleoko aza kely indrindra any an-danitra

Tsy maninona raha sady ory ety

Toy izay hiliba tsy maharitra

Sady ho faizin’ny devoly ary



ref

Nefa raha izaho tsy gisitra ety

Satria omban’ny fitahian’ny Tompo

Sady tsy hanaiky ho resy koa ary

Fa mbola hahazo ny fon’ny Tompo

Izany  no ivavahako andro aman’alina

Hiarentan-tory, hifadiana hanina

Handreseko ny ota samy hafa

’Zany no ankatoavako ny baiboly

Tsy itandroako aina hitory

Fa tsy variana ny fialam-boly



2)

aleoko mpamafa trano Pasitera

Nefa mpino mijoro tsara

Toy izay vedetiben’i losifera

Mpanan-karena nefa ratsy fiafara

Fa misy voa mafy indrindra eto an-tany

Eto ihany tsy mankaiza loatra

Efa tsy afaka mifikitra ihany

Sady tsy avotra koa ny any an-koatra



ref

3°)

Tsy ireharehana ny anton’izany

Fa itarihako anao handinin-tena

Ataoko inona ’zay rehaka an-tany

F’ianao no tiako mba hahazo fahendreana

Katsaho aloha ’zay hahazoana famonjena

Dia hanaraka ho azy ny eto an-tany

’Zay mahafaly ny tompo kendrena

Dia ho ambinina ianao am’zany



Dia isika tsy ho  gisitra ety

Satria omban’ny fitahian’ny Tompo

Sady tsy hanaiky ho resy koa ary

Fa mbola hahazo ny fon’ny Tompo

dia hivavaka isika na  na andro na alina

Hiari-tory si hifady hanina handresena ny ota samihafa

dia hankatoavintsika ny baiboly

Ka hiara-hiasa isika hitory

Handresena ny asan’ny devoly




Partager tsy gisitra

Commenter tsy gisitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RONDROBAIBOLY