1- Ry Jesosy Tompo ô,mba tariho aho re
Ho mpianatrao tokoa,hanoa Anao
Ry Jesosy Tompo ô,mba tantano aho re
Aza ilaozanao, aza ahilika
Ref: Fa ny aty maro mpankafy
Ka dia variana,sondriana tokoa fa soa
Fa ny ary toa tsisy mpitia
2x Tompo ô, tariho izahay tsy ho variana ety
2- Ry Fanahy Masina ô,mba bitsiho aho re
Mba ho mpino mankato,ny feonao
Ry Fanahy Masina ô,mba tsilovy aho re
Diovy hazavao ny ao anatiko ao
Ref:(2x)