4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iny alina iny - SAMANTHA SY KAYAH

Nanakotsaka toa nandambolambo ilay alina mamirifiry

Tonga ny eritreritra / mijery ora hoe amin’ny firy ?

Malahelo ary te hitraotra hijery ilay salovan-tavanao

Tsy nahandry ny andro maraina fa hoe izao dieny izao

Kanefa indrisy tsy afa-manoatra fa ny andro koa mbola alina

Ka ilay tsiky mandravaka ny tavanao no nisainako lalina

Ilay tsiky eny amin’ny tavanao no bodofotsy mba norakofako

Te ho rakotry ny teny mamy ka ny lohako no nosaromako

Nofy ve hoy aho? Hay tena zava-nisy marina

Diboka ny hafaliako ! ny lanitra no tsy haiko takarina

Zara aza aho tafarina ! tojo izay tena irina.

Ka ilay sary no handrotsirotsiana / fihinina eo am-pandriana



Ka iny alina iny sanatria ve ho hadinoina

Hampiakatra ny vetsovetso ny fitiavana no ampitomboina

Ka haniry ilay fitia. / Hananik’avo no hiafarany

Velirano efa napetraka moa ilay hizara mangidy sy mamy

Hananika ilay tendrombohitra izay halan-janak’olombelona

F’isika roa ! ilay irin-kofaty kay vao ela velona

K’iny alina iny dingana sahady any amin’ny fahasambarana

K’iny alina iny no nahatsapana fa ho tsara ny tantana



Réf: Iny alina iny aho nanofinofy anao’za

        Iny alina iny aho nahatsiarotsiaro anao’za

        Iny alina iny aho nanofinofy anao’za

        Iny alina iny aho nirediredy anao’za



Cherie ô / maro ny fotoana fa mamy indrindra iny alina iny

Ka avelao aho hitantara aloha dia aza omena tsiny

Nanofy anao ny tenako ary mbola ts’isy ohatr’izany

Malalako ô . fa inona aky no mahatonga izany

Nefa ianao toa teo anilako ihany nefa no natory

’Zaho raha torimaso mantsy tamin’iny dia tena ory

Mivadika aaah! / mivadika oooh!

Dia ilay nofy sisa na hany nalahelo hoe : ntsôôô

Ianao tsy foiko ho fohazina  fa tiako ho tambatambazana

Ilay nofy tsy tiako ho tapaka / sady ny tenako efa valaka

Dia naleoko nihafy kely sao hanjary hafa izay hanaraka



Raha mitohitohy kely ireny  / tsy tiako haraina intsony ny andro

Satriko foana hitohy ireny  / ho foana ny vonjy tavan’andro

Alina toa nisafosafo / toa tena kisoka nampiangola

Raha azoko nobataina nentiko / ary netiko nidoladola

Milolalola izay tsy manana / ary be fialonana indray

Reharehako ilay alina iray nanadinoko ireo kakay

Zarako aza nisy an’iny ahamiramirana ny tavako

Hitsikiko aminao ’zao / sa tsy izany aky rahavako







Réf: : Iny alina iny aho nanofinofy anao’za

          Iny alina iny aho nahatsiarotsiaro anao’za

          Iny alina iny aho nanofinofy anao’za

          Iny alina iny aho nirediredy anao’za





Hivoaka ny trano moa tsy afaka / hijanona manaintaina

Ka hany hery sisa miandry fa ny andro tsy maintsy haraina

Hijery ilay Toky ny Aina / hanoroka sy hampatsiaro

Fa iny alina iny aho tsy nitsahatra ny nahatsiaro

Ilay Ony hikorinan’ny sambo kely nandosirana mpitondra

Ilay hany nanafaka ahy fony ny foko tany am-ponja (…)

Ka rariny ve hoy aho ? manontany tena raha saro-piaro

Rariny angamba satria tsy tiako ho simba ilay voninkazo

Ka raha ho tanako / ilay anjara ekeko fa tokana an-tany.

Efa ianao no eo anilako feno fitiavana ny tany.

Mety ho lainga hoy ianao / anjaranao koa no mandalina .

F’izao aho aloha handeha hatory / hanofy anao indray aho rahalina .



Iny alina iny dia tsy ho hadino mandrakizay

Mampanontany tena ny tena hoe / rahoviana indray

Alina mamy an’izanyyy / ohatran’ny misy “chocolat”

Alina nitenenako hoe : tiako ny vadiko rangahy a

Raha iray ny fitiavako azy taloha dia niampy zato izany izao

Ka ho anao rahalahy mba niampy ve ny fitiavanao ny vadinao

Tiavo ny vady ho tokana / fa lova iray tsy mifindra

Hatramin’izay raha ratsy dingana / ankehitriny tsara famindra

Iny alina iny no hisaory fa manome hevitra be dia be

Ho an’ireo izay manam-pitiavana na kely na lehibe

Iny alina iny teny tokana hoentina hialan-tsiny

Fa nampitombo fitiavana marina / iny alina iny.  





Réf:: Iny alina iny aho nanofinofy anao’za

         Iny alina iny aho nahatsiarotsiaro anao’za

         Iny alina iny aho nanofinofy anao’za

         Iny alina iny aho nirediredy anao’za





SAMANTHA sy KAYAH

Sam - Kay / Nicolas  

©  MADLABEL 2002


Partager iny alina iny

Commenter iny alina iny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe SAMANTHA SY KAYAH