Ry Iarivo, ry Iarivo niandohana
Mamy k’ efa nilokana
Akany akany tsy ialana
Sy fonenan-kiafarana
Veloma o, veloma ry tanàna nolalaiko
Veloma fa miova fa efa miova izao ny baiko
Ho roso sy hamindra
Ka aza tsiny indrindra
Anaovana azafady
Fa tsy nahefa voady
Kanefa tsofy rano
Tsofy rano mba tsy ahita angano o
Veloma ry Iarivo
Kanefa mba tsiahivo
Ny tenako no lasa sy takona any ho any
Ny foko kosa mantsy dia mipetraka ato ihany