Tompo ô ! Omeo ahy ny fo madio
Mba hahaizako mitia anao
Meloka aho kanefa ahitsio
Mba tolory ny famindramponao
Fa mahery, mandresy ihany koa
Izay rehetra miankina aminao
Afaka ahiahy, miadam-po
Mahatoky ny manana anao 
    Raha ny heloka efa vitako menatra aho
    Na dia ny hanonona ny anaranao
    Efa nanao izay ratsy indrindra aho teo imasonao
    Indrisy resin’izao tontolo izao ry Tompo
 
        Fahafatesana anie no mendrika ho ahy izao
        Nefa navotanao
        Fahaverezana mandrakizay no sahaza ahy hatram’izao
Fa mahery mandresy ihany koa 
Izay rehetra miankina aminao
Afaka ahiahy miadam-po
Mahatoky ny manana anao....