Ry ampitso izay mifono misitery, 
’Tony ratra ve tsy hanakom-pery, 
Ry ampitso ’zay andrasako lazao, 
Inona avy re no zavatra entinao.
Moa ny aizina manarona ny tany 
Tsy hisava fa hikitroka hatrany, 
Moa ny androm-pisentoako dia hitombo? 
Moa ny ziogako mafonja dia hihombo?
Ry ampitso ô! ny foko mitalaho, 
Ary koa ny ranomaso dia mitraho, 
Ry ampitso ô! lazao izay fanafody 
Hitsaboako ity foko te ho tody.
Moa ny erikao sy ny rivo-doza mafy
Tsy mba hanam-piantona fa hifaly? 
Moa ny volana sy kintana eny ambony 
Dia hisitrika ka tsy hitranga intsony?