4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokantrano sambatra - Tanora FMMB

antoky ny fifaliako

jeso ô! lazaiko anao

ny ankohonana nihaviako

raha mitodika aminao

reraka izy ka atsangano

manantena ny an-tranao

amboary tokantrano

mandohalika aminao

            ry jesosy itokiako

            izaho mivavaka aminao

            mba tahio ilay dada tiako

            hiombon-dalana aminao

            mbola zavatra iriko

            itarainako toy izao

            itodio ilay reny tiako

            mba kasio ny tananao

izy ireo dia miasa fatratra

manan-javatra kendrena

ary koa manafatrafatra

hitomboanay fahendrena

tsara izany nefa raiko

izy ireo koa andrandraiko

mila anao ho fiantsapazana

hahazoanay fahombiazana

            fifandirana hampisy efitra

            alavirina tokoa

            mifanaja ; mifandefitra

            izay no mah’iray tampo

            ray sy reny olona ihany

            mety tena handratra fo

            fomban-javatra eny izany

            izaho koa zanaka manoa

fa na ratsy ireo na tsara

tena mamiko ; lalaiko

ivavahako hanan-jara

hanompoana anao; ry raiko

izahay ankizy ;ray sy reny

miara-mankato ny teny

ny safidinay hitambatra

mba ho tokantrano sambatra



                                 iarys & dinaniaina

Partager tokantrano sambatra

Commenter tokantrano sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tanora FMMB