fony aho mbola zaza no nampianarina
hahafantatra Anao ry Tompo Mpamonjy marina
teo ireo hafatrafatrao, sy ireo anatranatrao
nomenao mba hananako fiadanana
saingy indrisy fa nararako an-tany
tsy manaiky aho fa ho faty ireo izay tsy mino izany
ka nihazakazaka aho, nefa ho any an-davaka
adino fa raha tsy eo Ianao dia tsy ho sambatra
ref : ankehitriny RAY o!mba avelao izao
ny heloko
fa efa nanota taminao, ka dia mifona tsotr'izao, ny fiainako dia neniko avokoa
ireo fomba ratsiko tsy ataoko 'mbanin-droa
Saingy mba nomenao talenta kely
dia nihevitra fa afaka ny andeha irery
kanjo vao niatomboka, dia efa indro potraka
soa ihany teo Ianao niantsoa ahy hiantoraka
ref : ....
....Aminao no atolotro ity fo....