4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avereno aminahy - Tarika James

1) -Ilay olo-malakao iny

     Amin’iny tômôbila iny

     Tsy haiko lasana ho aiza izy angaha tsy niteny e

      Ilay olo-malalako iny

      Ao anaty tômôbila iny

      Tsy haiko mihitsy f’efa niantso aho f’angamba tsy reny



Ref :

Avereno aminahy maikamaika malala iny tômôbila ô!

Avereno malaky aty aminahy

F’aza entinao any, aza alentikao any

Aza hanaovanao vinany e



2)- ’Lay olo-malalako iny amin’iny lamasinina iny

      Ho elaela malala tsy ho hitako intsony e

     ’Lay olo-malalako iny, amin’iny lamasinina iny

      Ny alaheloko anazy tsy zakako intsony



Ref:

Avereno aminahy maikamaika malala iny lamasinina ô

Avereno malaky aty aminahy

F’aza entinao any, aza alentikao any

Aza anaovanao vinany e



3)- ’Lay olo-malalako iny, amin’iny sambo iny

      Atopan’ny onja hanalavitra anahy e

      ’Lay olo-malalako iny, iny ambony sambo iny

      Izaho mikopaka anazy toa very fanahy e



Ref:

Avereno aminahy maikamaika malala iny, sambo ô

Avereno malaky aty aminahy

Aza entinao any, aza alentikao any

Aza anaovanao vinany e



4)- ’Lay olo-malalako iny, amin’iny rôpilanin’iny

      Vetivetika teo nefa izahay mbola teto

      ’Lay olo-malalako iny, any anaty rôpilanin’iny

       Malahelo ny fo mbola tia ka misento



Ref.:

Avereno aminahy maikamaika malala iny rôpilanina ô

Avereno malaky aty aminahy

.........................

.........................

Partager avereno aminahy

Commenter avereno aminahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika James