4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampio aho - Tarika SLK Fjkm Zoara Fanantenana Ambohipo

Ampio aho ry Tompo tia,mba hanao ny sitrakao

Aza avela hiriaria fa hanara-dia Anao

Fa raha izao hita rehetra izao

Fahasimbàna tsy voafetra

Ö arovy ity ondrinao,fa mitalaho

Mitalaho Aminao

         Tsy ho voahefako irery ny handresy ilay ratsy

         Raha tsy ianao no mampahery

         Mampitraka ahy sy mijery

         Ny fitiavanao tsy foiko,tsy mba hisy hahasolo

         Ka indro izany fa ventsoiko hideràna Anao daholo

Ampio aho mba hanara-dia, hizotra amin’ny làlanao

’Reo fahotàna sy ireo siasia ho lavitra Anao

Fa ny ho eo akaikinao ry Ray

Famonjena tsy voavidy

Lavitra ahy ireo fakam-panahy

Fahasoavana fiadanana mandrakizay

         Tsy ho voahefako irery ny handresy ilay ratsy

         Raha tsy ianao no mampahery

         Mampitraka ahy sy mijery

         Ny fitiavanao tsy foiko,tsy mba hisy hahasolo

         Ka indro izany fa ventsoiko hideràna Anao daholo

         Tsy ho voaefako irery ny handresy ilay ratsy

         Raha tsy ianao no mampahery

         Mampitraka ahy sy mijery

         Ny fitiavanao tsy foiko,tsy mba hisy hahasolo

         Ka indro izany fa ventsoiko hideràna Anao daholo

        

Partager ampio aho

Commenter ampio aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika SLK Fjkm Zoara Fanantenana Ambohipo