4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza avela irery - TITA

AZA  AVELA IRERY





N’aiza n’aiza tompo no alehanay

n’inona n’inona zava-kinendrinay

tsy ho tanteraka izany ,

raha tsy ianao ihany

no hanoro ny lalanay



Izany indrindra indrindra no iantsoana anao

fantatray fa eo anilanay ianao

mamela ny helokay

diovy ny fanahinay

mitalaho , amindrao  fo



Osa sy malemy raha saraka aminao

tsy hahafantatra intsony izay tokony atao

aza avela irery hanao izao sy izao

tohano mafy aho tantano tsy ho very

mbola ianao koa no antoky ny soa

tsy misy afa-tsy ianao no mpiaro mahay

sitrakay tokoa ary irinay raha toa

ianao irery no mpamonjy iankinanay

mandrakizay.



Izany indrindra indrindra no iantsoana anao

fantatray fa eo anilanay ianao

mamela ny helokay

diovy ny fanahinay

mitalaho, amindrao fo







osa sy malemy………….mandrakizay







                                                                    TITA

Partager aza avela irery

Commenter aza avela irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TITA