4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mangaina - VahÖmbey



Feon-dokanga moramora mampatsiaro safosafo

Toreon-gitara mitaraina langolango malaindaina

Mitanisa zava-maro tsy hitako hotantaraina

Misakobom-bodofotsy aho mitoretra lasa saina

Rehefa merika iny ny andro mahangolingolin’ny ando

Tsy haiko intsony na ny foko na ny lanitra no miofo

Satriko ihany tsy hitomany, miezaka aho ho mafy loha

Nefa ny lanitra am’zany malomaloka ka asa



Izany retraretra izany sy izao retraretra izao

Mampandrangon-drindrina ahy, ny alokao mananihany

Maninona no dia ririnina no iny ianao vao sahy nandao

Ny eritreritro fihino ataovy entakelinao

Feon-dokanga moramora mampatsiaro safosafo

Partager mangaina

Commenter mangaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VahÖmbey

Suite