4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hiran'ny lanitra - VHF

HIRAN’NY LANITRA

Ny hiran’ny lanitra ihany no vazovazonay

Dia ilay hiran’ny lanitra ilay fiderana ny Ray

Ataonay manako manako maneran-tany e

Ao anatin’ny tsiky hafaliana na sento tomany o

Ny hiran’ny lanitra anie tsy atao manahirana

Fa midera mivavaka atao amin’ny fo miramirana o

Fa ny hiran’ny lanitra tsara sy tena ankafizinay

Tsy ho dilan’ny ela fa ho mandrakizay



Ny hiran’ny lanitra e, ny hiran’ny lanitra e

Io re no hiran’ny fiainana mandrakizay

Ny hiran’ny lanitra e, ny hiran’ny lanitra e

Io re no lalan-kodiana mankany amin’ny Ray



Koa avia ry zareo ô Atambaro ny feo ô

Dia hiaraka hihira hirahiran’ny lanitra e

Koa avia ry zareo ô Atambaro ny feo ô

Dia ho samy salanitra e ny ambany lanitra e



Na be mpankafy sy malaza ho tsara aza ny hiran’ny tany

Dia ny hiran’ny lanitra mbola hafa ihany tsy ambakan’izany

Ny hiran’ny lanitra mody tsotsotra mandolo fanahy

Hira ventsoina amin’ny sôlfezy na koa sôlfa

Ny hiran’ny lanitra no famonjena hiram-bavaka

Natao hanavotana anao ry mpanota

izay latsaka an-davaka ô

Tandremo solafaky ny otan’ny tany malama e

Dia ho vingivingitin’ireo devoly satàna



Ie e e e ie e e e e e e

Ny hiran’ny lanitra ho tsarotsaroana

Hovazovazoina sy kalokaloina

Mamelona ny ati-fanahy sy ny fo ao anaty e

Velona mandrakizay ny fanahy saiky maty e

Partager ny hiran'ny lanitra

Commenter ny hiran'ny lanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF