4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Babonao - Tarika Hasina

Tsy ampy angamba ny fiteny,
Ireo voalazako ombieny,
Tena tia anao anie aho,
Ka tsy haiko ny handà,
Efa feno loatra anao aho.

Toa mitombo hery hatrany,
Ny omaly resin'ny androany,
Ny hany tsapako dia izao,
Dia tsy misy tahaka anao,
Hadinoko zao rehetra izao.

Ref: Babonao ny foko,
Fa babonao,
Efa babo tsotra izao,
Inty aho anjakao,
Afoiko ho anao ny amiko,
Omeko anao!

Ny adiady indraindray,
Toa nanafana indray lay fitiavana
Fa tena ory sy mijaly,
Dia aleoko mihintsy tsy hary,
raha sanatria ianao tsy ho ahy!!!!!!!!!!!!!!!!

Ref:............

Partager babonao

Commenter babonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Hasina