4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Diavolam-pararano - Andrianary Ratianarivo

Nisava ihany izao, ny raho-mitatao

ny lanitra efa manga, ka tena soa fitranga

diavolam-pararano, madio manganohano

ny aizina hisava, fa tonga ny mazava

ny alina handao, fa menatra sy lao

ny fifaliana ihany, no sisa tsy ho lany

ny sento izao mitony, tsy fantatra intsony

ny alahelo foana, tsy hisy ho tsaroana

hanjary ho paradisa, ny fiainantsika sisa

Partager diavolam-pararano

Commenter diavolam-pararano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Andrianary Ratianarivo