4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ferana - Erick Manana



Misy fitia tsy mety maty

Fa mifikitra ao am-po

Hodian-tsy hita mankarary

Alevina tsy mety ho lo

Totofana vao miha-mitsiry

Ilaozana manangatra

Injao fa re mangirifiry

Rehefa ianao tsy tazana

Salovanao mandindona



Fitiavako anao tsy ferana

Maditra tsy hay lembenana

Mandoro raha kobonina



Ny lalana nizorantsika

Anefa ity tsisy hirika

Fa lalan-tokana izy ity

Mivavahady rindrina

Ny fo mitempo sisa reko

Izy tsy mety mionona

Tsy te-hahalala hoe hatreto

Misy tsy azo hoarana

Mitia tsisy tahotra

Partager tsy ferana

Commenter tsy ferana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite