4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahendrena - N`FANAH

Fandeferana tsy resy fa fitiavana

Adalanìreo `zay mamoifo tsy mety hamitram-pihavanana

Fa raha herisetra , fampijaliana no hamparina

Be dia be ny ra mandrika , tsy mahasoa , tsy tafarina



Ny fahendrena no jereo

Fa fitiavana no nahasoa anao e!

Jereo anie fa mahonena

Mahantra fitia , mpamono namana

Fa raha ny fanananao no hoentinao anambaniana ny olona manodidina anao

Fa raha resa-bola no handaozanao ny olon-tiana

Tsimaintsy hanenina ianao



Fa raha mavita tena ianao

Tsy mbola nisy fianteherana

Mahavita mandevon-tena ary ve ianao raha toa ka sendra fahafatesana

Fa raha resy ianao androany , ny rahampitso tsy maintsy tonga foana

fifaliana ny ety fa tsy tomany anjaranao no mandamina fotoana



Ny fahendrena no jereo

Fa fitiavana no nahasoa anao e!

Jereo anie fa mahonena

Mahantra fitia , mpamono namana

Fa raha ny fanananao no hoentinao anambaniana ny olona manodidina anao

Fa raha resa-bola no handaozanao ny olon-tiana

Tsimaintsy hanenina ianao



Fa raha te hanampy ianao,

Ataovy amin`ny fo fa aza terena

Fa raha ny fanetre-tena,

Mialoha ny Voninahitra

Fa raha manome ianao nefa sady mandatsa

Mankarary fo , no sady feo tena mandratra



Fandeferana tsy resy fa fitiavana

Adalanìreo `zay mamoifo tsy mety hamitram-pihavanana

Fa raha herisetra , fampijaliana no hamparina

Be dia be ny ra mandrika , tsy mahasoa , tsy tafarina

Partager fahendrena

Commenter fahendrena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe N`FANAH