4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fampitaha - Ramboatiana Etienne

Indreo vondron-drahona roa samy hafa

Etsy, etsy an-danitra ambony

Tarafin’ny volana dia miombon-tafa

Ny alina, ny alina, ny alina tony.

          Ambiaty sy vero samy hafa faka

          Mifanila indreo miara-miondrika

          Miara-mitraka, ny rivotra, ny rivotra dila

Andalan-tsoratra sendra voarindra

Nasiana, nasiana feo

Nanjary kalo hafa indrindra

Manala, manala, manala toreo.



           (intermède musical)



Loharano roa tsy dia mampiraika

Zara hoe, zara hoe petsapetsa nony nihaona

indreo fa vao mainka namonto, namonto ny ketsa

          Loko ankiroa samy manana ny hasiny

          Vony sy mena ataon’ny mpiangaly

          amin’ny taratasy

          Meva jerena

Fijery ankiroa samy manana ny tompony

Nahoana, nahoana re roy

No raha mifanena amin’izato fitompiny

Nanjary, nanjary, nanjary TSIKY

          


Partager fampitaha

Commenter fampitaha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramboatiana Etienne