4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fampitaha (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)

Indreo vondron-drahona roa samy hafa

Etsy, etsy an-danitra ambony.

Tarafin’ny volana izay miombon-tafa

Ny alina, (ny alina) ny alina zina.



Ambiaty sy vero (sy vero)

Samy hafa faka

Mifanila indreo miara-miondrika

Miara-mitraka

Ny rivotra, ny rivotra jila (ny rivotra jila o).



Andala-tsoratra sendra voarindra

Nasiana, nasiana feo

Nanjary kalo hafa indrindra

Nanala (nanala) toreo.



Loharano roa tsy dia nampiraika

Zara hoe, zara hoe petsapetsa

Nony nihaona, indreo fa vao mainka

Namonto, (namonto) namonto ny ketsa.



Loko ankiroa (ankiroa)

Samy manana ny hasiny :

Vony sy mena, ataon'ny mpiangaly

Amin'ny taratasy, meva, meva jerena (meva jerena o)



Fijery ankiroa samy manana ny tompony

Nahoana, nahoana reroy

No raha mifanena amin'izato fitompiny,

Nanjary (nanjary) nanjary tsiky ?

Partager fampitaha (bouboul

Commenter fampitaha (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)