4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avia ry vazatany ô! (faha 16 @ ffmp) - Ffpm

FFPM 16



Avia ry vazatany ô!

Sy mponina ao an-danitra,

Miraisa feo ka mihirà,

ny fanavotan-dehibe

:,:’Zay amonjena marobe,

    Dia vita re ka miderà



Avia ry fiangonana ô!

Mba asandrato re ny feo

midera ny mpanavotra

na aty an-efitra aza izao

:,: Hirao am-pandehanana

    Ny hira soan’i Ziona



Avia ry voavonjy ô!

Ka mifalia avokoa

Fa af-doza hianareo

Miraisa feo ka mihirà

:,:Derao derao ga mendrika

   Ilay nanavotra anareo



Avia ry olom-bery ô!

Izay mandre ny teny soa

Hoe:"Manantona Ahy izao"

Anio ny Tompo mba fidio.

:,:Ny fitiavany valio

   Ny fiderany koa hirao


Partager avia ry vazatany ô! (faha 16 @ ffmp)

Commenter avia ry vazatany ô! (faha 16 @ ffmp)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ffpm