4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Midera ny anaranao - 167 - Ffpm

1.Midera ny Anaranao

Zahay ry Tompo ô!

Ka hira no ventesinay

Hoe : haja, saotra, hery

Mba raiso ho Anao



2.He ! Voahombo Ianao

Nisolo heloka,

Ka mendrika hanaovanay

Hoe : haja, saotra, hery

Mba raiso ho Anao



3.Endrey!Ny fitiavanao

Endrey! Ny herinao,

Tra-pamonjena izahay,

Ka haja, saotra, hery,

Mba raiso ho Anao



4.Raha tonga ao an-danitra

Zahay mpanomponao,

Hitohy re ny hiranay

Hoe : haja, saotra, hery

Mba raiso ho Anao

Partager midera ny anaranao - 167

Commenter midera ny anaranao - 167

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ffpm