4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hadinony aho angamba (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)

Hatrin’ ny ela no injany reko any ho any

Ilay bitsika toloko mikiky ny ato am-poko

Tamin’ny ora fisarahana, efa nifanarahana (là là là...)

Fa hoe ny fitiavana, tsy hilentika raha mifanoratra matetika



    Moa azonao an-tsaina ve sombinaina

    Fa ny sora-tananao no tsy mampanjary izao

    (là là là...)



Misosa hatrany ny fotoana, niherina ny taona

Niova angaha ny fony tsy nahasoratra intsony (ouh ouh ouh...)

            

    Feno alahelo ny tontolo, manahy aho ny ho voasolo

    Ny sento no alefa any ho any fa angamba hadinony aho izany

    Indraindray dia voatery izaho samirery

    Ao an’eritreritro aho fa tena hadinonao (là là là...)



Hampanginiko ve izany ireo tsiky omaly

Hiondrika hitomany aho fa tsy afaka mamaly (ouh ouh ouh...)

Ho vitako va  ny hangina, haharitra hafiriana

Ny fijalian’ny fitiavako, ny fitiavako anao



     Ireo vetsoko eny ho eny sisa toa miteny

     Mino, hanofy, hatory fa tsy hadinonao akory

     (là là là...)

Partager hadinony aho angamba (bouboul

Commenter hadinony aho angamba (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)