4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jeso vato fehizoro - Kalokalo masina

Jeso vato fehizoro, afa-tahotra ny fo

Raha ianao no mampijoro, sy iankinana tokoa

Vato fiorenanay Jeso zanaky ny Avo

Vato fialofanay amin-dratsy te handavo



Fiv:

     Vato azo itokiana, sady tsy mba mivena

     Afaka ny fahoriana raha Ianao no ekena

     Jeso Tompo irery no 'lay vato tsy mifindra

     Jeso Tompo irery no 'lay fehizoro indrindra





Jeso vato fehizoro mampisinda ahiahy

Fa mandresy horohoro, manatanjaka fanahy

O ry vato tsara paika, zay mandray Anao am-po

Dia mijoro tsy miraika n'inon'inona manjo

Partager jeso vato fehizoro

Commenter jeso vato fehizoro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kalokalo masina