4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesoa - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Moa ve mba fantatrao Jesoa

Nanetry tena ho anao tokoa

Tonga tety an-tany nisolo voina

Sahy nanolo-tena novonoina



Ref:Dera laza no atolotray

    Ho anao Jesoa zanaky ny Ray

    Asandratray ny anaranao

    Ho ren-tany sy izao tontolo izao

    Kapoka,eso,fahoriana

    Filanjana hazo fijaliana

    Ny setriny anefa fitia sesehena

    No atolony anao ho famonjena



’Ndeha hiaraka aminay hiezaka

HItaona ny olona hibebaka

Hitory ny filazantsara hatrany

Hatreto ka hatrany am-paran-tany



                    Tonony sy feony REIM’S

               Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

               FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO






Partager jesoa

Commenter jesoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite