4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kabary ambony vavahady - SAMANTHA SY KAYAH

           K.A.V ( kabary ambony vavahady)





Réf: Tsy asa vita fa varina miala tsiny

        Tsy vokatra hita fa dia mody miala tsiny

        Vitan’ny azafady / vitan’ny azafady

        Vitan’ny ala tsiny / vitan’ny ala tsiny.



Raha resaka ao andrasana dia mahazo avara-patana

Fa lasa ambony vavahady izay mba mety  ho ananana

Fa tsy ampy an’ialahy ve izay / fa tsy ampy an’ialahy ve izay

Raha tsy ampy an’ialahy iny dia mba hajanony amin’izay

Fa Samantha & Kayah dia efa leony an’io ô

Raha fampanantenana aloha dia efa leony an’io ô

Zay aloha dia fay fa ndana ipitsiho ôô

F’izahay mirahalahy dia efa leony an’io ôô



Mba fepero ihany ’ty vava fa aza manata-bava

Ny kozin’ialahy efa ho lava abobo no mandravarava .

Kabary ambony vavahady dia vitavitaina @ ny azafady

Azafady / tsy aty izany fa any ho any mitady

Be démagôzy/ tsy asiako vidiny mbay ery

Raha resaka lainga dia efa ampy izay ry leity / ry leity

Lasan-ko vavany fotsiny tsisy tahotra tsisy henatra

Raha akama ialahy dia izao “ dia ny tena no menatra”

Nefa moa atao ahoana f’efa toetra mihintsy angamba

Miporitsaka fotsiny sady tsy mba mihambahamba

Dieny izao ovao fa sao dia tara be loatra

Ary rehefa torona hevitra dia mba mahaiza misaotra misaotra



Réf: Tsy asa vita fa varina miala tsiny

        Tsy vokatra hita fa dia mody miala tsiny

        Vitan’ny azafady / vitan’ny azafady

        Vitan’ny alahtsiny / vitan’ny alahtsiny



Zay rehetra atao ambony vavahady rahalahy

Démagozy no tonga aloha tsisy miala pà

Lomotra toe-tsaina / tsisy ho antenaina

Tsy hoe adala akory fa tena tsisy saina

Kabary ambony vavahady é é

Vava fotsiny ka mampiady éé

Izahay aloha dia leony ka tsy ho azony amin’izany “éé

Tsisy ilavana azy fa dia lasa ity mandeha

Manondrana foana ialahy / manondrana foana ialahy

Miteniteny foana ialahy / miteniteny foana ialahy

Fa Samantha sy Kayah dia efa leony an’ialahy



Isan’andro hanao an’izao , hanao an’izao nefa tsy hatao

Aza gaga raha lazain’ny pokna hoe le be lazao

Be famaritra tsy misaina tsy mba mandini-tena

Fa te-ho deraina / ohatran’ny alika ho eny an-tsena

Izay lazain’ny vava aloha mba ezaho ho tanteraka

Raha tsy izay dia aza mikozy intsony ialahy fa mandreraka

Aza mikozy intsony mihitsy / fa mandrera-tsofina

Raha tahakan’ialahy daholo ny pokna be koa ny jokna



Réf: Tsy asa vita fa varina miala tsiny

        Tsy vokatra hita fa dia mody miala tsiny

        Vitan’ny azafady / vitan’ny azafady

        Vitan’ny ala tsiny / vitan’ny ala tsiny



Azafady mialatsiny vitan’ny alatsiny

Norakofany izany rehetrarehetra izany  haratsiany

Fa iza no hitsikiany / fa iza no hitsikiany

Fa iza no hambaniany / fa iza no hambaniany

Fa rehefa mba miteny tanteraho izy ireny

Tsy hoe tsisy dikany ireny/ fa tena masina ireny

Fa Samantha sy Kayah tsy mila an’izany rangahy

Tsy mila izany intsony f’efa tofoka ho aho / efa tofoka ho aho



Azafady , azafady , miala tsiny miala tsiny

’Ngaha io vitan’izany fotsiny hoe: azafady , miala tsiny

Na miala hatramin’ny patalohan’ ialahy aza ty vy intsony

Kobon’ialahy mantsy ilay fiainana fa alain-drony

Midodododo atsy izao mipepopepo atsy avy eo

Be ny maty satria mamono tena ’zay leo

Izany foana ve / aiza no andeha / aiza no aleha

Tsy mpanao politika tsy olo-tsotra miresaka be

Zay mba masoandro mihiratra kely toa rako-javona

Aleoko ihany mijery an’ialahy amin’ilay toetra miavona

’Zay mba hataon’ialahy rehetra / kabary ambony vavahady

Averiko ihany fa io ho’aho tsy vitavitan’ny azafady.



Réf: Tsy asa vita fa varina miala tsiny

        Tsy vokatra hita fa dia mody miala tsiny

        Vitan’ny azafady / vitan’ny azafady

        Vitan’ny ala tsiny / vitan’ny ala tsiny





SAMANTHA sy KAYAH

Sam- Kay / Nicolas

© MADLABEL  Sépt 2002






Partager kabary ambony vavahady

Commenter kabary ambony vavahady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe SAMANTHA SY KAYAH