4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kalo mira fitia - TITA

KALO MIRA FITIA

mahavelon'aina ny kalo izay hiraina

indrindra raha amin'ny fo

no hikaloana azy tokoa

tena tonga lafatra

eny tena mahasambatra

f'izaho sy ianao hanjakan'ny fitiavana



toa rano sy vary

sanatria ny hifanary

na alahelo be na hafaliana iombonana

toa kalo indray ny hany tanjona dia iray

hampita hafa-tsoa ho an'ny olona



mahatehotia

ilay kalo mira fitia

mampiadana

ny fo sy saina ary fanahy

ô!ô!ô!ô!ô!

manome hery

tsy ahatsiarovana ho irery

raha oriory ianao

ny hira no hirahirao

fa fitia



toa rano sy vary

sanatria ny hifanary

na alahelo be na hafaliana iombonana

toa kalo indray ny hany tanjona dia iray

hampita hafa-tsoa ho an'ny olona



mahatehotia..........fa fitia

raha oriory ianao ny hira no hirahirao fa fitia



                                     TITA

Partager kalo mira fitia

Commenter kalo mira fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TITA