4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kamboty velon-dray - Hasina

Toy ny zanak\'ondry very an\'efitra izahay
tsy mba misy ny hanorotoro sy hananatra
dada o miverena ianao,f\'aza ny hadisoan\'i neny
no entina hampijaliana anay

ho kamboty velon-dray ve izahay
ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo namanay
very vahatra izahay toy ny masoandro
ny masoandro vao miposaka ka hilentika sahady ho maizina

tsy safidim-ponay re ny ho ety an-tany fa ny fitiavanareo
k\'aza avela ho malok\\\'ila ny androm-piainanay ety an-tany
fa mahatsiaro ho irery izahay
ireo namanay mpiara-milalao
mitanisa falifaly fa manan-dray mahavita izao sy izao
ny ato an-trano anefa zara raha mitafy
fiafina lava tsy mba manan-dray hanafy,nilaozanao,nilaozanao....

Partager kamboty velon-dray

Commenter kamboty velon-dray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hasina

Suite