4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kanefa ianao tsy tonga - Henri ratsimbazafy

Ref.:
Ny tsara indrindrako
no efa narindrako
mba ho kilalao,

Ny vetson'ny foko
no he nokaloiko
handraisako anao,

Kanefa ianao tsy tonga
fa nataonao somonga
nataonao kialao
ny fitiavako anao.

I
Misosa tsy hay fefena
ny ora sy fotoana
'zay hita sy jerena
dia toa manaitra foana.   
Raha vao misy rnitranga,
ny masoko efa ranga
fa toa manangasanga
eny lavitra eny ianao.   
Nefa indrisy fa nangaina
fa ianao 'zay nantenaina
tsy niseho fa hafa no hita teo.

II
Vao henoko nipaika
'lay ora izay nomena
dia injao mitempo maika
ny foko manantena
voalamiko daholo
ny akanjo sy ny volo,
ny masoko efa folo
mikaroka anao.
Mierika etsy sy eroa,
may ka atao ahoana moa ?
indrisy anefa,
'lay nofy dia nilefa

Coda :
kanefa hatramizao
dia mbola tiako ianao -!

Partager kanefa ianao tsy tonga

Commenter kanefa ianao tsy tonga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite