4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kanefa... larivo - Henri ratsimbazafy

Ny meva dia misy dia misy,
ny fatratra be ihany koa,
na London na i Parisy
dia maha-te ho tia avokoa.


Ekeko fa tena malaza
New-York ary koa Chicago
ary maro koa ny milaza
hoe fatratra i Mexico.


Ny ngeza sy manan-tantara,
Pekin, Hong Kong, Shangai-,
ny kely kanefa koa tsara
toa an-dry Tahiti sy Hawai
.

ry Naples, Roma, Venizy,
ry Vienne ary koa Moskoa
dia indraindraina izaitsizy
lazaina ho tsy hita noanoa.


Jerena ny ery Besarety,
Ampandrana, Ambanidia,
ny làlana ety dia ety,
ny trano efa tonta ery


aleha indray Mandialaza
tsy hafa fa to-izany koa
Isotry dia he ratsy laza
tsy lùta izay tena soa.

Ref. :

Kanefa ianao ry larivo
Tanana nipoiran'ny aiko
no iray ao anatin'ny arivo
mambabo ny fo sy ny saiko.

Partager kanefa... larivo

Commenter kanefa... larivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite