4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Katsaho aloha - NY MPIANTAFIKA Gospel

‘Zao zavatra ary rehetr’izao

Dia nomeNy anao mba hanjakana :

Ao ny vorona manidina,

S’ireo biby maro karazana,

Ireo ala sy ranomasina,

Ny hazandrano azo isafidianana





An’i Jehovah ny tany, s’izay rehetra eo aminy

‘Reo rehetr’ireo dia homeny anao

Fa katsaho aloha



Katsaho alo(ha) ny fanjakan’Andriamanitra

Sy ny fahamarinany

Katsaho alo(ha) ny fanjakany dia hanampy anao

Ny zava-drehetra



Katsaho aloha, aloha ny fanjakany

Sy ny fahamarinany

Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra

Dia hanampy anao ‘zao rehetr’izao.



ARNELL Hasina

Partager katsaho aloha

Commenter katsaho aloha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY MPIANTAFIKA Gospel