4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sifirity - Lihana

Ha ! ha ! ha ! iii !
Resaka Sifirity izy ty niany tsaiky reto
Si si si si Sifirity (3)

Mangala-baraka amin’ny raha tsy marigny e !
Mahaiza menatra e !
Mitsokotsokoroko raha ambarany e !
Mahaiza menatra e !

Koragnan’ny tranobe, tsy hidiran’ny lakozia
Aferan’ny lakozia, tsy hidiran’i Sifirity
Koa azon’i Sifirity, miparitaka any Amerika
Ampiany TVA, koragna miitatra

Eh ! moramora anao, mahaiza menatra e !
O ! mieritrereta anao, mahaiza menatra !

’Zeo hafatr’i Dady ! fadio ny ady
Mampisy lagigny, hazoagna tsigny
Ialagna ny vandy, fa raha mampiady
’Zegny aferan’olo, ialao tsy hamono

Eh ! eh ! tandrigneso moa ! vaovaon-draha koa ty e !
Afera Sifirity zeo ndreo malaza amin’ny tanana koa tsy hainao !
Eba ! ao baoejy ! soma !
Alamino ! alamino ! alamino ! alamino ô ! (2) ôby e !

Eh ! Mba ialanareo resaka sifirity io fa tsy mamango e !
Maro raha robatin’izy io amin’izao ty e !
Ambelao olo amin’ny jerin’azy
Mila olo manao fiainanan’azy ko anao karaha manao sifirity !

Mba mitandrema tsy hampiady olo anao
Mahaiza menatra e !
Matrakatraka tsinain-kena anao
Mahaiza menatra e !

Koragnan’ny tranobe, tsy hidiran’ny lakozia
Aferan’ny lakozia, tsy hidiran’i Sifirity
Koa azon’i Sifirity, miparitaka any Amerika
Ampiany TVA, koragna miitatra

Eh ! moramora anao, mahaiza menatra e !
O ! mieritrereta anao, mahaiza menatra !

’Zeo hafatr’i Dady ! fadio ny ady
Mampisy lagigny, hazoagna tsigny
Ialagna ny vandy, fa raha mampiady
’Zegny aferan’olo, ialao tsy hamono

Partager sifirity

Commenter sifirity

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lihana