4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - LUDGER Andrianjaka

Raha mbola bada lela aho ka nianatra niteny

Dia faly aok’izany rehefa miantso anao ry neny

Raha raisin’olon-kafa fony mbola kely izany

Dia tsy mety fa tomany mamikitra amin’ny neny ihany



Raha misy olombelona sahy nanolotra ny ainy

Ka nanome ny soa rehetra mety ho takatry ny sainy

Izaho dia tsy hisalasala ka hilaza fa i neny

Tsy notambazam-bola akory dia nanolotra ireny



Fitia tsy mba mila valiny ny fitiavanao ry neny

Fitia tsy mba mila dera, fitia tsy ankiteniteny

Tsy ho ampy mihitsy ny fiteny hoentiko hilazàna izany

Satria fitia tsy azo oharina amin’ny lanitra sy tany





Raha nikapoka ahy i dada ka nanafay f’izaho naditra

Dia ny fon’i neny koa no fenofeno toa hitritra

N’inona nahazo ahy, na fahoriana tonga tamiko

Dia i neny, i neny ihany no fanafody mamiko





Tonony sy feony: Naly Rakotofiringa


Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka