4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Madagasikarako - Erick Manana

Fa any ambadika any ho any

No misy ilay ankaniko

Lavitra be tsy taka-maso

No misy ilay Gasikarako



Ny tafony lanitra manga

Mifefy ranomasina

Alokalofan’irony ampanga

Ilay tokontany filalaovana



Ho any ianao ka ho any

Meteza re ho afarako

Raha mbola tany koa ny tany

Izy ka tsy hatakaloko



Fa n’inona n’inona hitranga

Na aiza tany hodiaviko

Fa na dia osa sy mahantra

Izy no tanindrazako


Partager madagasikarako

Commenter madagasikarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite